May kila hotohoton’ny afo ny trano fonenan’ny filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mandritsara, faritra Sofia.
Ny alahady 3 septambra 2017, tamin’ny 3ora maraina no niseho ny loza. “Tsy mbola voafaritra mazava ny niavian’ny afo”, hoy ny lehiben’ny distrikan’i Mandritsara Léon Fulgence. Ny fantatra hatreto dia nianga tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny ny afo ary vetivety foana dia nihanaka ny lelafo. Namonjy ary nanao izay ho afany ny fokonolona namono afo fa tsy afa-nanoatra nanoloana ny herin’ny afo. Tsy manana mpamonjy voina moa ny tanànan’i Mandritsara, ka sarotra ny famonjena. Tsy nisy aina nafoy na naratra. Afaka nanavo-tena teny am-baravarankely ny lehiben’ny Fitsarana ambaratonga voalohany izay hany tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza, fa mbola any ampialantsasatra ny ankohonany. May kila tsy nisy azo noraisina ny entana kosa ny entana rehetra tao an-trano.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.