Actualités

Hafahafa May ny tanàna


  • Sabotsy 02 Septambra 2017

Mahalasa saina ny firongatry ny firehetan-javatra tato ho ato, tsy eto an-drenivohitra tsy any amin’ny faritra, toy ilay teny amin’ny toby famokarana herinaratra an’ny orinasa Aksaf Power teny Ambohimanambola, izay nahafatesana olona 3.

 Teo ihany koa ny teny Mahavoky-Anjanahary ny takarivan’ny alarobia teo. Trano hazo 40 miampy trano lehibe 4 no indray levon’ny afo ary 387 no tsy manan-kialofana, araka ny tatitra nataon’ny minisiteran’ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Hatramin’izao, tsy fantatra mazava ny anton’ny firehetana fa afo efa niitatra sy nijoalajoala no nanaitra ny rehetra. Manao tohivakana ny fanampiana ho an’ireo traboina, ary zary lasa fisehosehoana ho an’ny mpanao politika sasany aza indraindray. Tsy ilay manome no ratsy satria zava-dehibe ny tahaka ireny amin’ny fotoana sarotra tahaka izao. Ny zava-misy sy fahita anefa dia ny fanaovana fitaovana ireny toe-javatra ireny hoenti-manao propagandy, ka ilay fisehosehoana no betsaka fa tsy ny hanavotra ireo lasibatra ao anaty fahoriana mangitsokitsoka. Ny 2 na 3 andro mety ho vitan’ireny fanampiana ireny fa ny tohiny no baraingo. Mampametra-panontaniana hoe : tena loza toy ny loza rehetra ve izy ireny sa misy ambadika hafa ? Mampanahy ihany ny zava-misy. Tsy vitsy ny mihevitra fa hoenti-manodina ny sain’ny maro tsy hifantoka amina zavatra hafa, toy ny raharaha politika mafampana na ny mety ho tsy fahombiazan’ny mpitondra na ny mpanao politika izany. Zary tapi-dalan-kaleha tanteraka kosa ireo traboina satria toy ny vato kiboribory amin’ny lafiny rehetra, ka ny akanjo eny an-koditra sisa tavela. Ahiana ny hisian’ny paikady maloto hoenti-manilika azy ireo amin’ny toerana nipetrahany satria toe-javatra mateti-piseho eto amintsika izany. Tsy havela hiverina amin’ny toerana intsony ny mponina satria na ny taratasy mirakitra ny fananany aza efa may kila sy potika, ka tsy sarotra ho an’ny mahitahita sy ny mpanam-bola ny mamadika ny tany ho amin’ny anarany. Matetika teratany vahiny no mahazo ny tany na ny Malagasy mpanam-bola ihany. Ny hirariana dia hiverina amin’ireo lasibatra ny fananany, ary hisy ny tena fitsinjovana sy fanampiana azy ireo hiarina amin’ny fiainana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT