Vono olona feno habibiana no nisy tany Agnivorano Tôlagnaro ny sabotsy teo. Zazakely sahabo ho fito volana sy ny reniny izay mbola tanora no nisy nanapaka ny tendany
Tapaka ara-bakiteny. Tsy vitan’izay fa mbola notsatohana antsy indray ny lamosin’ilay ramatoa. Marihina fa telo mianaka izy ireto no nandeha tamina toerana fangalana hazo hatao fefy, ka vadin’ilay ramatoa ny fahatelo, araka ny nambaran’ireo olona manodidina. Nanantena ny hiverenan’izy telo mianaka ny havany kinanjo tsy niverina. Natao ny fikarohana, ka samy zendana ireo mpanaradia vao tonga tamin’ny toerana nakan’izy ireo hazo nahita olon-droa maty nivalampatra tao anaty ala, misarona ravinkazo. Ilay raim-pianakaviana kosa tsy mbola hita ny nanjavonany hatramin’ny omaly. Tonga nizaha ny razana ny mpitandro ny filaminana sy ny dokotera. Tsy mbola fantatra izay nahavanona ity habibiana mahatsiravina ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.