Habetsaky ny rotsak’orana

Distrika maromaro nahazo fampitandremana


  • Alarobia 31 Janoary 2024

Ahiana ho betsaka ny rotsak’orana (hahatratra 40 hatramin’ny 80 mm ao anatin’ny 24 ora)

any amin’ny morontsiraky ny faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo atsinanana ato anatin’ny roa andro manaraka, dia anio 31 janoary hatramin’ny rahampitso 01 febroary, araka ny fampahafantarana nataon’ny Foibe famantarana ny toetr’andro. Nisy noho izany ny fampitandremana eo anatrehan’ny mety hahabe ny rotsak’orana, izay mikorontana ny asa aman-draharaha andavan’andro, hampiandrona ny rano amin'ireo toerana mora tondraka. Nahazo fampitandreana miloko mavo ny distrikan’i Nosy Varika, Mananjary, Manakara, Vohipeno, Farafangana ary Vangaindrano. Nentanina ny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen'ny manam-pahefana eny ifotony. Mifandraika amin’io rahateo ny fampitandremana mikasika ny fanonjan’ny ranomasina satria hanonja be na hahery ny ranomasina ka ho 2 hatramin'ny 3m ny haavon'ny onja any amin'ny morontsiraka eo anelanelan' i Mananjary sy ny tanjona Angotsy; Hahery ny ranomasina ka ho 2,5 hatramin’ny 3,5m eo anelanelan'i Mananjary hatrany Toliara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT