Fantatro ary tena fantatro tsara i Arphine Helisoa eo amin'ny sehatr’asa fanaovan-gazety, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara teo aloha, Guy Rivo Randrianarisoa.
Tsy misy tsy mahalala fa matihanina izy rehefa miasa ary manaja izany resaka lalàna sy fanajana ny tsirairay izany. Isan'ny tebiteby teo aminy isan-kariva izany hoe tsy maintsy ao anatin'ny soatoavin’ny asa an-gazety ny lahatsoratra hivoaka ny rahampitso. Olona mivavaka io ary mbola tsy nahita an'i Arphine aho nanoratra an-gazety ka nanompa na naniratsira ny hafa, indrindra, fa hoe olon-dehibe eo amin'ny sehatra politika na inona na inona antoko misy azy, hoy hatrany ity solombavambahoaka teo aloha ity. Sahiko ny mijoro amin'izany, hoy i Guy Rivo R. Mora fantarina tsara izay namoaka sy nanoratra io zavatra hanenjehana azy io fa tsy voatery tonga dia izy no lazaina fa nanao azy. Io olona tena meloka io tompoko henjehina sy hanaovana famotorana fa tsy mendrika olo-marina no mihiboka eo amin'ny toeran'ny hafa, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.