Actualités

Guy Rivo Randrianarisoa Ampijabahan’ny namany ny filoha


  • Sabotsy 19 Aogositra 2017

Nitondra fanazavana momba ny zava-niseho ny alakamisy alina, nandroahana an’i Marc Ravalomanana mianakavy tao amin’ny Grand Hôtel Antsiranana i Guy Rivo Randrianarisoa

 

anisan’ny any an-toerana miara-dia amin’izy ireo. Aoka tsy hilaza atsanga tsy aman’orana, ka hilaza zavatra hafa noho izay niseho izay tsy taty Antsiranana, ka te hiaro ny fitondrana na te hitsetra an’Atoa Ravalomanana, hoy izy. Tsy nipetraka na nanao famandrihana trano tany amin'ny hotely Allamanda, araka ny resaka voizina ny filoha Ravalomanana fa tonga dia tao amin'ny Grand Hôtel hatraminy nahatongavany. Na tsy tamin’ny anarany aza ny famandrihana dia hitan’ny rehetra tao izy, ary fantatry ny rehetra, hoy izy. Filoham-pirenena izay omenay ny hasiny sy ny hajany raha te hipetraka tao saingy tsy azonay ekena kosa ny fomba hanehoana izany amin'ny fandefasana miaramila sy tsindry ambadika. Aiza ny soatoavina Malagasy ? Tsy adala izahay ka tsy hanome ny filoham-pirenena ny voninahitra sahaza azy, saingy tsy nisy resaka natao taminay. Ny fihetsika ataon'ny mpiara- miasa amin'ny filoham-pirenena ireny no manimba azy ka mila amboarina. Notsiahiviny fa ilay kolonely nitarika ny fandroahana dia nilaza fa ho avy eto ny filoha ka tsy ilaina ny fipetrahan;ny filoha teo aloha eto. Ampijabahan’ireo namany ny filoha, raha haravona ny fanazavan’i Guy Rivo Randrianarisoa. Fotoam-pivavahana no hotronina saingy nosantarina tamin’ny herisetra sy filam-boatsiary. Zary nangatsiaka sy toa nataon’ny olona resaka ary tratry ny tondro molotra ny filoham-pirenena mivady vokatr’iny toe-javatra mamohehatra iny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT