Actualités

Guinée Bissau Notoloran'ny fanjakana Malagasy CVO 11 500 isa


  • Alakamisy 30 Aprily 2020

Tonga teny Ivato omaly ny fiaramanidina nalefan’ny Filoham-pirenen’i Guinée Bissau Umaro El Mokhtar Sissoco Embalo naka ny tambavy Covid organics na CVO mitotaly 11 500 isa, milanja iray taonina sy sasany natolotry ny fanjakana Malagasy ho an-dry zareo.

 

 

 

Io firenena io no hampiasa voalohany izany ivelan’i Madagasikara. Ny minisitra lefitra misahana ny fahasalamana Mitoha Ondo O Ayekaba no nisolo tena ny Filohan’io Firenena Afrikanina io. Fanomezana ity natolotra ho an-dry zareo sy ireo Malagasy 100 any an-toerana, ka ny 10 000 fonosana natao hisorohana, ary ny 1500 dia natao hitsaboana ny coronavirus, raha ny fanazavana. Vao naheno izy ireo dia nanadihady, ary nanafatra ka nanapa-kevitra ny fanjakana Malagasy fa hanolotra an’ity, hoy ny io minisitra lefitra io. Ny mahamaika dia ny hoe ahoana ny hanavotana ain’olombelona na aiza na aiza. Reharehan’ny Malagasy iray manontolo io, ka isaorana ny Filoha sy ny IMRA. Maro ny firenena avy any ivelany nandinika sy ny nandalina, hoy kosa ny Filohan’ny CCO Covid-19 Razafimahefa Tianarivelo. Nisaotra sy niarahaba an’i Madagasikara io tompon’andraikitra ambony io, ary ny firenenay dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny samy Afrikanina, hoy izy. Ny nahafahana nifehy ny covid-19 any an-toerana, dia ny fanaovana fitsirihana faobe. Iray namoy ny ainy, ary 200 ny voa any Guinée Bissau, ka saika vahiny avokoa no ankamaroan’ny voa: avy any Italie, Espagne, Colombie, Korea,…

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT