GROUPE RIJA ETHEL

Nitsangana hanampy ireo sahirana


  • Alarobia 20 Martsa 2024

Tena sahirana ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny.

Betsaka ireo tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony vokatry ny hasarotan’ny fiainana. Efa tafakatra 1100 Ar rahateo ny iray kapoaka amin’ny vary eny an-tsena. Tsy lazaina intsony ireo zanaka mahafoy Ray aman-dReny na Ray aman-dReny mahafoy zanaka. Mbola vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany izay lasa tsy hitiavan-kavana. Manoloana ireny tranga maro samihafa ireny dia naseho tamim-pomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan'ny Groupe Rija Ethel. Nandritra ny fankalazana ny fahafolo taonan’ny fikambanana Tanora Actif an'i Madagasikara na TAMa izay efa mpisehatra amin’ny asa soa eto amintsika no nampahafantarana izany, tarihin’ny filohany Razafimandimby Rija Ethel. Raha araka ny fantatra dia samy hanampy ny sahirana ireo fikambanana miisa roa ireo ka vehivavy ny ankamaroan’ireo ao anatiny. Tafiditra ao anatin’izany ireo zokiolona eny anivon’ny Boriborintany, ireo ankizy kamboty tsy manam-piahy….
Pati
Legende : Nandritra ny fampahafantarana ny fitsanganan’ny fikambanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT