Tsy hitondra vokatsoa hoan’ny zaza sy tanora Malagasy ny fanapahan-kevitra mandeha ila noraisin’ny fanjakana hampihatra ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education),
hoy ny mpampianatra mpikaroka Jean Jacques Rakotoarison. Mihevitra moa ny tenany fa tena hampahomby ny fanabeazana ny fandraisana ireo fepetra samihafa mifanaraka amin’ny fampiharana io rafi-panavaozana novolavolain’ny fitondram-panjakana ankehitriny io. Voalohany indrindra amin’izany ny fampiakarana ny risipon’ireo mpampianatra amin’ny fampitomboana ny karaman’izy ireo izay tena ambany amin’ny ankapobeny (100.000 ariary). Efa nisy rahateo ohatra ady hevitra goavana niketrehana ny tabilao momba ny tontolon’ny karama iombonana (grille indiciaire unique) nandritra ny fitondrana tetezamita lavareny. Nankatoavin’ny manam-pahefana tamin’izany izy io saingy tsy tontosa hatramin’ny farany rehefa niova mpitondra isika, araka ny fanazavany. Fanapahan-kevitra tokony ezahina tanterahana miaraka amin’ny fampiharana ny PSE ho fampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara. Ilaina ihany koa raha voatohana ara-bola tsara ireo rantsamangaika isan-tsokajiny, hoy ity tompon’andraiki-panjakana teo aloha ity.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.