Grevy faoben’ny Jirama anio

Mandrahona ny Governemanta…


  • Alarobia 09 Jolay 2025

Raikitra ny fitokonamben’ny tambaben’ny mpiasan’ny Jirama manerana ny Nosy

ho fanoherana ny sata vaovao izay ambaran'izy ireo hatrany fa mamono ny mpiasa sy ny vahoaka ka tsy ekena. Hiroso amin’ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny Jirama manerana an'i Madagasikara anio alarobia 9 jolay, raha ny fanambaran’izy ireo omaly. Hikatona 100% ny fiasana manomboka amin'ny 7ora sasany, ka eny Soanierana no hifamotoana ny mpiasa eto Antananarivo. Any anatin'ny toeram-piasany tsirairay kosa ny isam-paritra no hanao ny hetsika fitokonana. Izany ny fanambarana nataon'ny sendikan'ny mpiasan'ny Jirama omaly. Nambara fa tsy hisy hiasa ireo mpiasa ary hikatona ny toeram-piasana rehetra eto Antananarivo. « Hiroso amin’ny fitokonam-be ny mpiasa rehetra manerana ny Nosy. Mitaky ny fanafoanana ny sata dia ny lalàna 2014-014 mamaritra ny maha SA (Société Anonyme) ny mpiasan’ny Jirama. Mbola mamerina manao antso amin’ny Filoham-pirenena hihaona mivantana amin’ny Filoham-pirenena », hoy ireo mpiasa. Hanao ahoana ny famatsiana herinaratra ? Ny anio no hamaritra azy, fa minisitra 2 no niditra an-tsehatra omaly dia ny minisitry ny serasera sady mpitondra tenin’ny governemanta Rtoa Mara Donna sy ny Minisitry ny angovo sy akoran’afo Atoa Olivier Jean Baptiste izay nilaza fa « service essentiel » io, iainkinana fiainan’olona maro, orinasa, fihariana,… ka tsy azo atao takalon’aina. Nolazaina fa grevy tsy nahazoana alalana ka tompon’antoka ny mpitarika, izay toa lasa misy endrika fandrahonana ankolaka. Andaniny, milaza fa efa in-telo niantaona moa ny antso avon’ny mpiasan’ny Jirama, saingy tsy nahazo valiny . « Mambotry vahoaka sy hamono ny mpiara-miasa, ka mangataka amin’ny Fanjakana izahay mba hanala an’io sata SA (Société Anonyme) io. Miantso ny mpiasa rehetra hijoro », hoy ny fanairana efa nataon’ireo mpiasa ny 01 jolay. Tondroin’izy ireo ho làlana mitondra any amin’ny « privatisation » an’ny Jirama mitovy amin’ny orinasam-panjakana teo aloha toy ny SOLIMA, TELECOM, RNCFM, AIR Madagascar io ataon’ny Fanjakana io. Ifandroritan’ny mpiasan’ny Jirama ny hoe : natao hikarakara vahoaka araka ny sata 75-024 ny Jirama, fa tsy orinasa natao fakana tombony ho an’olom-bitsy. Malahelo izahay fa potika tanteraka ny orinasa, potika ny fijarian’ny vahoaka Malagasy, potika ny mpiasa Malagasy sy ireo izay miankin-doha amin’ny Jirama, hoy izy ireo izay nilaza tamin’izany fa vonona hanarina ny Jirama anatin’ny hoe : 100% malagasy.
MISY FIFANDRORITANA GOAVANA
Ankilany, mandrirotra any amin’ny resaka fatiantoka, orinasa tsy mahavelon-tena, mila fizakan-tena ara-bola,… ny Fanjakana. Efa nankatoavina ny drafi-panarenana ity orinasa ity ka resahina ao anatin’izany ny hoe : tsy maintsy arenina amin’ny lafiny ara-bola sy ara-teknika ny JIRAMA mba hahomby sy hahazaka tena: amin’ny alalan’ny fitantanana mangarahara sy mahomby, fanatsarana ny tahan’ny fandoavana faktiora, ary fanatsarana ny fidiram-bola,... Ohatra, ny vidin’ny famokarana herinaratra 1Kwh dia 1 107 ariary, nefa amidy amin’ny 785 ariary monja, ka mahatonga fatiantoka goavana. Tafiditra anaty fepetran’ny mpamatsy vola toy ny Tahirimbola iraisam-pirenena sy na ny FMI sy ny Banky Iraisam-pirenena ny fampihenana sy ny fanesorana ny tohana ara-bola ataon’ny Fanjakana amin’ny Jirama izay mahatratra 200 tapitrisa dolara isan-taona eo. Tena hahavaha ny olan’ny Jirama ve ny fanapahan-kevitra sy ny fanovana raha tsy maintsy ho atao an-terisetra? Azo antoka fa ho tsara ny tolotra ary ho zakan’ny sarambabem-bahoaka ny sarany ?
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT