Tsy afaka mamonjy an’i Mahajanga sy Kaomaoro ary ireo nosy kely manakaiky ny faritra Boeny ireo mpandeha miditra sy mivoaka noho ny fitokonan’ireo mpiasa ny Air Mad manerana ny nosy.
Hatezerana ny an’ireo mpandeha satria dia tokony hamonjy ny andron’ny ramadany amin’ireo toerana voalaza ireo ny volana jona ity, ao kosa ny hamonjy ny fianakaviana satria dia efa manomboka miditra ao anatin’ny fotoana fialantsasatra ny akamaroan’ireo olona ireo. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola misy ny vahaolana noraisin’ny fitondrana mikasika ny fitokonan’ny Air Mad ity fa lasa misy mihaino hatrany ny fitarainan’izy ireo. Tsy ireo mpandeha ihany anefa no maty antoka vokatr’ity fitokonan’ny mpiasan’ny Air Mad ity fa ny mpizahatany aza dia nihena ny fidirana eto amintsika satria tsy misy ny fiaramanidina hitondra azy ireo hitsidika an’i Madagasikara. Raha izao anefa no mitohy dia ho simba ny toekaren’ny Malagasy sy ny sehatry ny fizahantany noho ity fitokonan’ny kaompania fitaterana Air Mad ity.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.