Nodimandry afak’omaly talata teo amin'ny faha-79 taonany ny Grand Chancelier Ralitera Etienne, izay tsy zoviana amin'ny maro intsony ; Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar, Grand Croix de Première Classe izy ,
Filohan' ny Fiombonambe Taranaka Andriana Miray eto Madagasikara teo aloha (2002-2015) . Tafiditra niasa tao amin' ny fiadidian' ny repoblika izy nanomboka tamin' ny repoblika faharoa (1975) ka hatramin' ny repoblika faha-efatra (2017), ary Grand Chancelier de l'Ordre National de Madagascar (2002-2017). Aretim-po efa nitaiza azy hatramin'ny ela no voalaza fa anisan'ny antony niteraka izao fahafatesany izao, taorian'ny nitsaboana azy nandritra ny fotoana maharitra teny amin'ny hopitalin'ny miaramila eny Soavinandriana. Raha ny fanazavan'ireo fianakaviany dia anisan'ny nampiavaka azy ny fahatsorany diso tafahoatra, antony nahatonga azy hijanona teo amin'io toerana io hatrany. Anisan'ny mpiara-miasa taminy akaiky fony fahavelony ny filoha Marc Ravalomanana izay nametraka andraikitra be dia be taminy tokoa. Toraka izany koa ny filohan'ny tetezamita. Raha ny loharanom-baovao azo dia rahampitso zoma no hafenina ny vatana mangatsiakany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.