Nivoaka tamin’ny fahanginany i Mokhtar Salim Andriantomanga,
Governoran’ny Faritra Boeny manoloana ireo resaka miely mikasika azy momba ilay raharaha vary simba 50 kaontenera.
Nilaza izy fa “efa in-droa natao famotorana, ka ny iray tany Mahajanga, ny farany teo taty amin’ny PAC na ny fitsarana miady amin’ny kolikoly Antananarivo”. “Ka ny mba iangaviko antsika Malagasy, avelao ny Fitsarana hanao ny asany, ary mino aho fa hivoka ny marina rehetra satria maro no te ahafantatra ny marina, ka miandry ny didin'ny Fitsarana”, hoy i Mokhtar Salim Andriantomanga. Nilaza izy fa manameloka mafy ireo izay nikasa ny hampihinana ireo vary ireo raha nisy tokoa izany . Nitsotra ny goverinoran’i Boeny fa tena mahatsiaro mavesatra sy malahelo mizaka ny latsa sy ny fanosoram-potaka ho mamoaka ireo vary ireo isaky ny amin’ny 1ora maraina ; f’ angaha moa tsy misy “cahier d’évènement” ireo mpiambina an’io magasin SOTEMA taloha io ka avoahy eto ny soratra ao amin’io “cahier” io nilaza ny fivezivezenay tao, hoy izy. Matoa misy ny fanadihadiana natao tahaka izao dia anisan’ireo olona ahiahiana izany ny governoran’ny faritra Boeny mety ho voakasika mivantana na an-kolaka tamin’ilay raharaha famoahana an-tsokosoko vary efa lo. Samy miandry izay mety ho vokatry ny fanadihadiana sy ny ambaran’ny fitsarana ny rehetra, indrindra fa ny mponina ao Mahajanga satria ny azo antoka dia tsy maintsy olona lava tanana sy manana fahefana no mahavita mamoaka vary 50 kaontenera izany fa tsy olon-tsotra .
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.