Vary, menaka, siramamy ary savony no nomena ny mpanao gazety omaly teny amin’ny biraon’ny Faritra Analamanga tetsy Ambohidahy.
Toromarika avy amin’ny Filoham-pirenena izany araka ny nambaran’ny Governoran’ny faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Nanambara ny tenany fa mendrika ny handray izany ny mpanao gazety rehetra tsy ankanavaka ary tsy maintsy ampiana satria ireo dia mbola miasa hatrany ary tena ilaina ny amin’izao ady amin’ny aretina coronavirus izao. Tsy fidiny ny mpanao gazety hoy izy ny mivoaka ary nanentana hatrany ny tenany ny tokony hijanonan’ny olona rehetra any an-tranony hifehezana ny valan’aretina.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.