Actualités

Governemanta Hay afaka manaja lalŕna ihany !


  • Sabotsy 19 Jolay 2014

Nahavita ny fanambaram-pananany avokoa ireo mpikambana 31 ao amin’ny governemanta Kolo Roger

Ny minisitry ny angovo, Fienena Richard no nanakatona ny fanaterana ny fanambaram-pananana teny Ambohibao ny alakamisy teo. Omaly zoma 18 jolay kosa no fetr’andro farany voatondron’ny lalàna tsy maintsy nanaovan’ny minisitra izany fanambaram-pananany izany. Sambasamba no nisy governemanta ka nahavita nanao fanambaram-pananany ara-potoana avokoa ireo minisitra mpikambana ao aminy hatramin’ny nivoahan’ilay didim-panjaka laharana 2004-983 tamin’ny 12 oktobra 2004 manitsy ny andininy sasantsany tamin’ny didim-panjakana laharana 2002-1127 tamin’ny 30 septambra 2002 manery ireo mpitondra sy mpiasam-panjakana ambony hanao fanambaram-pananana. Hay afaka manaja lalàna ihany ity governemanta ity ! Mampametra-panontaniana ny tsy ampiharana manontolo ireo andininy manontolo voalazan’ny tondrozotra nosoniavina tamin’ny 17 septambra 2011, izay efa lalàna 2011-014 tamin'ny 28 desambra 2011, anisan’izany ny andininy faha-20 mamela malalaka ireo sesitany politika hiverina an-tanindrazana tsy misy fepetra, anisany ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT