hanamboaran-dalana eto Madagasikara
Ho trandrahana ny "goudron" ao Morafenobe, ary kasaina hampiasaina amin’ny fanamboaran-dalana eto Madagasikara. Ao Morafenobe no hanaovana ny andrana voalohany amin’izany. Anisany nivoitra io nandritra ny dian'ny Minisitry ny Asa Vaventy, Dr Rafefimanana Sambilason Richard, sy ny Jeneraly Démosthène Pikulas, lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny Distrikan’i Morafenobe sy Maintirano ny sabotsy 05 septambra 2026 teo. Hamboarina hatao tara ihany koa ireo lalana ao an-tampon-tanan’i Maintirano, ka nodinihina niaraka amin'ny lehiben'ny Faritra Melaky Jonah Justin Pikulas ireo laharam-pahamehana sy ireo sakantsakana mety hisy amin’ny fanatanterahana ny asa. Anisany anton-sian'ireto iraky ny fitondrana foibe ireto koa ny hanomana ny fanombohana ofisialy ny fanamboarana ny lalana RN1Bis Tsiroanomadidy - Maintirano izay iarahana amin'ny Jenia Miaramila sy ny fanomanana ny fitokanana ireo asa vita toy ny tohodrano Marefolaly sy ny lalana makany Beteno notaterahin'ny AD2M.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.