Actualités

Gidro eto Madagasikara Ahiana ho lany taranaka ny 94 %


  • Talata 02 Septambra 2014

Ny 94 %-n’ireo karazana gidro eto amintsika no ahiana ho lany taranaka amin’izao vokatry ny fitrandrahana tsy ara-drariny hataon’ny sasany amin’izy ireny. Tsy eto amintsika ihany anefa no hitrangan’izany fa saika maneran-tany mihitsy

Na izany aza anefa dia eto amintsika no ahitana ny 20 %-n’ireo gidro maneran-tany izay mahatratra 105 karazana. Mba hahafahana miaro azy ireny ary dia hikarakara hetsika antsoina hoe : dihin’ny varika maneran-tany ny Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar ny 25 ka hatramin’ny 31 Oktobra ho avy izao. Hiarahana amin’ny minisitera sy ny fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena maromaro izy io izay manana tanjona hanaitra ny hambom-pontsika Malagasy mba hitondra ny anjara biriky amin’ny fiarovana ireo harem-pirenena mampiavaka antsika ireo. Hatokana hanampiana ireo vondron’olona ifotony amin’ny fiarovana sy fikajiana ny gidro sy ny toeram-ponenany ny vola azo, mitentina hatrany amin’ny 7 tapitrisa dolara Ar any ho any. Hanampy antsika ihany koa ireo firenena hafa any ivelany manana valam-bibidia toa an’i Etazonia, Eoropa, Azia, Afrika… Eto Antananarivo moa no hanaovana ny fanokafana amim-pomba ofisialy na dia samy hanamarika izany avokoa aza ny faritra 22 eto amintsika. Filaharambe mamakivaky ny tanàna, fanentanana, fanabeazana, fifaninanana ara-panatanjahantena…no hetsika iraisan’ny rehetra entina hanamarihana izany.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT