Actualités

Gidragidran’ny oniversiten’i Mahajanga Mpianatra 50 mahery hiakatra « CODIS »


  • Zoma 03 Novambra 2017

Hiakatra filankevitry ny fitsipi-pifehezana na CODIS ny 8,9,10 novambra ho avy izao ireo mpianatra maherin’ny 50 voasaringotra noho ny resaka korontana sy famotehan-javatra tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga, araka ny valandresaka nataon’ny mpitantana ny oniversite tamin’ny mpanao gazety omaly.

Fikononkononana grevy, fanakanan-dalana miditra ny « campus », fandorana sy fanimbana bloc, fandrobana fananan’ny mpianatra, fifandratran’ny samy mpianatra,… Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa rahateo, dia efa nilaza izy fa tsy misy ho afa-bela ireo nandray anjara tamin’ny fanakorontanana. Taorian’ny savorovo tany an-toerana efa ho herinandro vitsivitsy izay, dia tsy mbola miverina ny fampianarana na dia nanamafy aza ny filohan’ny oniversite fa tsy hisy ny taona fotsy. Voatery nesorina tamin’ny trano fonenany mihitsy ny mpianatra dia ny tao Ambondrona sy Tsaramandroso. Efa mandeha kosa ny asan’ilay komity fakan-kevitra, izay hiaraha-mitady hevitra hamahana ny olana sy handinika ny sazy ho an’ireo mpianatra voampanga ho nanakorontana. Mety hiafara amin’ny fandroahana ve ? Tsy milamina ny fampianarana any amin’ny oniversiten’i Mahajanga. Hitondra filaminana sa mbola hiteraka korontana ny fanapahan-kevitra amin’ny “CODIS” ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT