Miditra amin’ny andro fahatelo ny fitokonan’ny mpianatra eny amin’ny Polyteknika Vontovorona amin’ity anio ity
. Mitaky ny hanondrotana 100% ny vatsim-pianarana ary koa ny hampidinana ny saran-dalana izy ireo. Niafara tamin’ny fifandonana tamin’ny Emmo-Reg ny hetsik’izy ireo omaly. Tonga nandrava ny sakan-dalana nataon’ny mpianatra ny mpitandro ny filaminana. Nifamaliana avy eo ny tora-bato sy ny lakrimôzena ary ny fitifirana tamin’ny bala fingotra. Nitsofoka hatrany amin’ny faritry ny sekoly ambony ity ny Emmo-Reg. Vokany, nisy efatra naratra ary tovolahy iray mpianatra ao amin’ny taona faha-4 voasambotra. Navotsotra ihany ity farany taorian’izay. Niato nanomboka ny alatsinainy teo ny fampianarana eny Vontovorona, araka ny tinapaky ny fikambanan’ny mpianatra. Milaza ny hanohy ny fitakiana ny mpianatra. Ny minisitera etsy an-kilany milaza fa tsy mbola hampakatra ny vatsim-pianarana, tsy hitaran’ny fitakiana any amin’ny oniversite hafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.