Nidoboka am-ponja, notanana vonjimaika ao amin'ny fonjan'Antsirabe ireo enina mirahalahy nahavanon-doza ka nahafaty ny Ex-GPHC Rakotondranivo Jerison,
zandary niasa teo anivon'ny Etamazaoron'ny Vondron-tobim-pileovan'ny Zandarimaria ao Vakinankaratra, araka ny fampitam-baovaon'ny zandarimariam-pirenena. Raha tsiahivina, ny alin'ny 13 hifoha 14 oktobra lasa teo no nisehoan'ny gidragidra sy herisetra nitarika tamin'ny fahafatesan'io zandary io. Vokatry ny hamamoana mantsy dia nanakorontana tao anatin'ny trano fisotroana ireto tovolahy ireto ary nitohy hatreny ivelany izany. Voatery niditra an-tsehatra ity zandary ity nanasaraka ka izy indray no nanamparan'izy enin-dahy nanaovana angaredona. Vely tavoahangy no nahafaty azy. Anatra no omenay ny rehetra fa na iza na iza, dia tsy azo atao ny herisetra, na anaty trano fisotroana na aiza, ary tsy iandrasana fa na zandary na olontsotra no iharan'ny herisetra, hoy ny zandarimariam-pirenena. Melohin'ny lalàna ny fanakorontanana, ady, fandratrana ary fandatsahana ain'olona na inona na inona antony. Andrasana ny fitsarana ireo voasaringotra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.