Actualités

GERMANO-MALAGASY SY GIZ Mikarakara fifaninanan-kira mba hamonjena tontolo iainana


  • Alatsinainy 21 Jolay 2014

Fifaninanan-kira momba ny tontolo iainana natokana ho an’ny mpanakanto rehetra izay tsy mbola matihanina no karakarain’ny Germano-Malagasy sy ny Giz ao Mahajanga

Maro ny olana sedraina amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana eto Madagasikara ka izay indrindra no nahatongavan’ireto fikambanana sy ny tetikasa ireto hanao izao hetsika izao. Fampandraisana anjara mivantana an’ireo vahoaka hitandro ny tontolo iainana no anton’ny fifaninanana, hoy ny mpikarakara. Tsy dia mifidy gadona ny hetsika. Kendrena ho dimy minitra ny faharetan’ny hira iray ary atao ao anatin’ny kapila mangirana izany avy eo miaraka amin’ny toniny amin’ny teny Malagasy sy Frantsay. Takian’ireo mpikarakara ihany koa ny famoahana ny rakikira amin’ny fomba maha mpanakanto mba hampisy lanjany ny hira mivoaka. Natao ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra ny fifaninanana.  Nampitondraina lohateny hoe: “hira maitso 2014” ny hetsika ary tao amin’ny faritra Analamanga no nisantarana azy, notohizana any amin’ny faritra Boeny izao indray. Horaisin’ny GIZ ireo hira tsara voafidy ary hampiasaina amin’ny fanentanana amin’ny ady amin’ny tontolo iainana eto amintsika. Tsara ho fantatra mantsy fa mahatratra 21 000 taonina isan-taona ny hazo ripaka hanamboarana harona nefa ny mponina eny ambanivohitra tsy dia mazoto loatra amin’ny fambolen-kazo.                                                                                                                           

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT