Gérard Ramamimampionona

«Tsy vahaolana mihitsy ny


  • Zoma 17 Aprily 2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Resaka politika na fankahalàna ve izany izao no ifamonoana na handoroana zavatra, raha ny fampitàm-baovao samihafa nifamoivoy tato ho ato, hoy ny mpandinika fiarahamonina, Gérard Ramamimampionona? Tsy teto Antananarivo ihany, hoy izy, no nahenoana izany fa tany amin’ny faritra sasany koa dia natetika nahenoana hoe handoro an’izao na izao. Lasa fanao ve izany ny fanimban-javatra rehefa misy hevitra tsy mitovy na fikatsahana tombontsoa manokana na toerana tiana ho azo? Mila mitandrina isika. Mila mifehy fihetseham-po sy manaja ny soatoavintsika. Tsy vahaolana mihitsy ny fifamonoana sy fifanimbàna. Raha misy tokony atao dia aleo sokafana hatrany ho an’ny fifampiresahana sy fifanatonana ny varavarana mba tsy ho tonga amin’ny fifanimbàn-javatra. Mila mifehy sy manabe ny tenantsika isika rehetra ary mitandrina manoloana ny resaka serasera sy izao vanin’andro izao. Tsy maintsy anaty fahamalinana tsara no handraisana ny serasera rehetra ahalalàna ny tena marina. Ny tena marina no tokony voizina. Ny marina no mahatonga fahafahana. Tokony porofoina tsara koa ny fahamarinan’izay resahina eo amin’ny tany sy ny firenena sy eo amin’ny fiarahamonina. Mila sorohana ny savorovoro anivon’ny fiarahamonina malagasy. Tsy ilaina ny fifamonoana sy fifandravana! Misy olona mampiasa fampahalalàm-baovao ho entina hanasavorivoroana na hanasaritahana fiarahamonina. Anjarantsika rehetra ihany no mitandro ny filaminana anaty fiarahamonintsika. Tsy tokony hisy olona hamafy savorovoro, hoy hatrany ny tenany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT