Nambaran’ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety Malagasy, Rakotonirina Gérard, teny Soarano fa : “hetsika goavana manokana na hoe “symbolique”
amin’ny fiteny frantsay ny fanapahana “ruban” natao nanoloana ny tsangam-baton’ny OJM tamin’ny andron’ny 03 mey lasa 2020 teo ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenen’ny fahalalan’ny asa fanaovan-gazety. Noho ny zava-misy efa iaraha-mahalala amin’ny fiatrehana ny fepetran’ny ady amin’ny covid-19, hoy izy, dia tsy nanomana hetsika manokana toy ny fanateram-boninkazo fanao isan-taona teo amin’ity toerana ity ny holafitry ny mpanao gazety Malagasy tamin’ity taona 2020 ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.