Gen Z,X,Y ao Vakinankaratra

Mitaky ny fialan'ny filohan'ny FITEVA


  • Zoma 13 Febroary 2026

Nanao fanambarana iombonana tetsy

Tsiadana omaly ireo Gen Z, X,Y zanak'i Vakinankaratra fa ny Fikambanana ifanampian'ny terak' i Vakinankaratra na FITEVA dia fikambanana tokana ivondonan'ny terak'i Vakinankaratra manerana ny nosy sy ny any am-pitan-dranomasina, na avy amin'ny finoana inona na finoana inona, na avy amin'ny antoko politika inona na antoko inona. Tsy ekena, hoy izy ireo, ny fitantanan'ny Filoha nasionalin'ny FITEVA taorian'ny nahalasa azy filohan' antoko politika iray satria ny zanak'i Vakinankaratra dia tsy voatery ho iray antoko politika avokoa. Miantso ireo ray aman-dreny sy olobe vato nasondratry ny tany, olom-boatendry ary olom-boafidy rehetra hifanatona sy hidinika mikasika ity fikambanantsika ity, hoy ireto taranaka niray feo ireto. Angatahana ny hanatsaharana ny hetsika nasionaly rehetra, ao anatin'izany ny fihaonam-be FITEVA izay kasaina hatao ny Alahady 22 febroary 2026 ho avy izao any Toamasina. Ny fitarihan'ny filohan'antoko politika ny fikambanana iray dia manitsaka tanteraka ny maha fikambanana ny fikambanana izay fehezin'ny didy hitsivolana laharana 60-133 tamin'ny 03 oktobra 1960. Miantso ny zanak'i Vakinankaratra rehetra mba ho sarotiny amin'ny faritra nihaviantsika satria masina ny faritra vakinankaratra, hoy hatrany ny taranaka na "générations" na Gen Z, Y, X ao Vakinankaratra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT