Gen MF na «

Generation Mpanabe hoan’ny fanovana »


  • Zoma 15 Mey 2026

Vonona amin’ny fanavaozana sy fampivoarana ara-tsaina

Isan’ireo nandray anjara feno tamin’ny tolona ho fametrahana ny fanavaozana teto amin’ny firenena ny taona 2025 ny mpanabe hoy ireo mpitarika ao amin’ny Gen M F na ny « Generation Mpanabe hoan’ny fanovana ». Rehefa nijoro ireo tanora dia nanampy ny mpanabe ka niandoha tamin’ny hetsika nataon’ny mpampianatra teny amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha izany. Samy nahatsapa ny rehetra fa mivarina tanteraka ny fitantanana ny firenena dia nahita ihany koa ny mpanabe fa latsaka any amin’ny mangitsokitsoka tanteraka ny fanabeazana ka izay no antony nampijoro. Sehatra ivondronan’ny mpanabe tonga saina ny Gen MF, ary vonona ny handray andraikitra amin’ny fanavaozana, ny fampivoarana ara-tsaina. Hiantsoana ny mpanabe, mpampianatra, ny mpanabe ara-panatanjahantena, ny mpanabe ara-panahy , ary ireo mpanabe eny anivoan’ny fiaraha monina. « Ny mpanabe no kitro ifaharan’ny rahampitso », hoy i Radomanantoanina Tahirintsoa ka izay no iantsona ireo izay voakasika rehetra handray anjara amin’izao fanavaozana izao. Tsy hiandry ny fitondrana fa tonga dia hijoro fa miainga amintsika io fanavaozana io, hoy hatrany izy ireo.
Solotiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT