GAZOALA MITAPOKA SOLITANY

Betsaka ireo mpampiasa fiara mitaraina


  • Alatsinainy 10 Martsa 2025

Miparitaka eto amintsika ny gazoala mitapoka solitany amin’izao raha araka ny vaovao azo.

Lasa miloko toy ny rano izy io raha vidiana amin’ny tavoahangy na bidon no sady maimbo solitanibe. Betsaka ireo mpampiasa fiara mandeha amin’ny gazoala efa lasibatra vokatr’izany ka velon-taraina mafy. Simba avokoa ny kojakojan’ny fiara tratran’io gazoala mitapoka io nefa ny vidiny o an-daniny efa tena tsy azo laizina intsony fa midangana andro aman’alina. Eo an-danin’izay dia tsy mitsaha-miakatra ny vidin’ny gazoala, nefa tsy araka izay ny kalitao ilain’ny ankamaroan’ny mpanjifa akory. Ireo fiara mivoaka ny faritra moa no voalaza fa tena miaina sy mividy ity gazoala mitapoka ity koa hanaovan’izy ireo antso amin’ny tompon’andraikitra ny tokony hanaraha-maso izany. Aleo hoy ireo mpampiasa fiara mandeha amin’ny gazoala mba hitovy amin’ny vidiny ny kalitaon’ny solika omena ny mpanjifa.
Pati
Legende : Tahaka izao ny lokon’ilay gazoala vidiana amin’ny tavoahangy !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT