Mba mahagaga ihany fa amin’izao fotoana mampanan-danja ny serasera sy ny fifandraisana izao dia mbola misy minisitera sahy manilika mpanao gazety ihany. Mazava ny tenin’ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena omaly teny Ananinarenina fa tsy anisan’ireo gazety nantsoin’ity minisitera ity hanatrika ilay valandresaka ho an’ny mpanao gazety nokarakarainy ny Gazety Tia Tanindrazana, izay nanana solontena teny an-toerana.
Ny antony dia mamely sy mitsikera foana ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena, hono, ity Gazety ity ka tsy azo antsoina intsony. Tafiditra ao anatin’ny lisitra mainty ihany koa ny gazety Basy Vava sy Takoritsika. Tena mahatalanjona ny zavatra tahaka izany, ary mampametra-panontaniana hoe : tompon’andraikitra iza marina ao amin’ny minisitera no namoaka io baiko io ? Moa ve mahafantatra izany ny minisitra Paul Rabary, izay tena havanana tamin’ny fanakianana fanjakana tokoa fony izy tsy mbola minisitra ? Tsy niasa herintaona akory ve ireo mpitantana ao amin’ity minisitera ity dia efa tahaka izany sahady ny fomba fisainana ? Vao tsy ela akory izay no nanana olana tamin’ny mpanao gazety ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, dia io fa manomboka mamorona olana hafa indray ny an’ny fanabeazam-pirenena. Izany ve ilay fanovana atao dridraningilo eto e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.