Actualités

Gazety Tia Tanindrazana 8 taona katroka anio


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Feno 8 taona katroka anio sabotsy 9 septambra 2017 ny gazety Tia Tanindrazana.

Tsiahivina fa ny taona 2009, tao anatin’ny fotoan-tsarotra nodiavin’ny firenena no nahaterahany sy nivoahan’ny laharana voalohany. Maro ireo sedra nolalavana tao anatin’izay, saingy nijoro sy teo foana ny Tia Tanindrazana, porofo izao fandiavana ny tsingerintaona faha-8 izao. Teny filamatra nijoroana ary mbola ijoroana hatramin’izao rahateo ny hoe : “Sahy mijoro ho an’i Gasikara”. Tsy misorona ny gazety milaza ny lesoka mila harenina eto amin’ny firenena, mba ho amin’ny tombontsoan’ny Malagasy tsy an-kanavaka. Mankasitraka sy mandrisika hatrany kosa amin’ny zavatra tsara tokony hotohizana. Tsy natao hitatitra vaovao na ny zava-misy fotsiny fa mitory fanabeazana sy fitarihana ny sain’ny Malagasy hijoro sy ho tia tanindrazana ary mampirisika ny hitia sy hanjifa ny “Vita Malagasy” koa izy. Tsy hisy firenena afaka handroso mantsy raha tsy ny mponina ao aminy no mijoro ho an’ny firenena, ka anisan’ny anjara adidin’ny Tia Tanindrazana ho an’ireo olona sy vondron’olona tandrify azy ny manao izany. Matoa tonga amin’izao tsingerintaona izao dia teo foana ny mpamaky izay nandrisika sy nankahery hatrany ka tolorana fisaorana sy ankasitrahana lehibe. Na inona na inona mantsy ezaka ataon’ny gazety kanefa tsy eo ny mpamaky, dia zava-poana sy maty momoka izany. Tsy voatamby vola aman-karena ny fanohanana sy ny fandrisihan’ny olom-pirenena mpamaky, ka fisaorana mitafotafo no atolotra ho an’ny rehetra tsy an-kanavaka, ary mampanantena zavatra mendrika sy tsara hatrany ho an’ny mpamaky sy ny mpanohana ary ny mpankafy izahay eto amin’ny Tia Tanindrazana. Mitohy ny lalantsika …

Tia Tanindrazana

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT