Actualités

Gare routière Vatofotsy Antsirabe Kaoperativa 23 no tsy mankasitraka ny fizarana azy


  • Alakamisy 02 Novambra 2017

Nanao fangatahana tamin’ny tompon’andraikitra mahefa amin’ny hanatsarana ny toby fiantsonana zotram-pitaterana rezionaly ao Vatofotsy Antsirabe ireo kaoperativa manatanteraka asa amin’ity “ligne”

ity ary efa andalam-panatanerahana ny asa fanamboarana ankehitriny. Heno anefa ankehitriny fa nomena an’izany zotra vaovao 1ère Classe izany ny 1/3 n’io tany io fa ny 2/3 ambiny kosa no hifampizaran’ny kaoperativa 27 miasa mampitohy an’Antananarivo sy Antsirabe. Fanaovana mizana tsindrian’ila fotsiny tsotra izao ny fiheveranay an’izany fanapahan-kevitra izany hoy ny kaoperativa 23 amin’ireo 27 ireo, izay  notarihan’ny filohan’ny FMMZN sy ny filohan’ny UCTRV ary ny filohan’y TRANSWELL, ka namoaka fanambarana am-pahibemaso tetsy Andrefan’Ambohijanahary tamin’ny alatsinainy 30 oktobra teo satria efa nisy didy nivoaka fa tsy misy fanomezan-dalana zotra vaovao intsony ho an’Antsirabe-Antananarivo ary tsy misy fanitarana azo hatao koa. Tsy mankasitraka an’io fanomezana ampahan-tany ho an’ny olona vaovao hanokatra zotra hifaninana aminay any Antsirabe io izahay, hoy izy ireo ka manainga ny tompon’andraikitra mahefa mba hijery an’ity toe-draharaha ity fa raha mba nazava ny tolo-bidy tamin’izany fitaterana 1ère Classe izany dia mba afaka navadika amin’izany koa ireo fiaranay rehetra, hoy izy ireo

 

Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT