Actualités

Gare routičre – Toamasina Vonoan’olona tamin’ny fomba feno habibiana


  • Zoma 26 Febroary 2010

Rangahy 45 taona mpanao asa tanana sary sokitra indray ny talata hifoha ny alarobia teo no nisy namono teo amin’ny arabe manakaiky ny gare routičre.

 

Tamin’ny feno habibiana no namoan’ireo jiolahy azy, araka ny filazan’ny mpitsabo misahana izany, satria dia nakapokapok’ireo jiolahy tamin’ny rindrin’ny sekoly CEG Ratsimilaho ity raim-pianakaviana maty ity. Hita tamin’ny tampon-dohany nalemilemy izany, ary hita faritra teo amin’ilay rindrina ihany koa. Ny hany sisa teny amin’ity rangahy 45 taona ity koa dia ny silipony sy ny akanjo anatiny. Ny zavatra hafa rehetra teny aminy dia lasan’ireo jiolahy avokoa. Raha ny filazan’ny mpitsabo, dia tokony ho tamin’ny misasakalina hatramin’ny 1 ora maraina no nitranganny famonoana.
Nambaran’ilay fianakaviany niaraka taminy fa niaraka tokoa izy roa lahy ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 24 febroary io. Rehefa samy mamo dia nilaza ny hamonjy fodiana. Ity rangahy maty ity anefa mbola somary nanaitra saina kely fa mbola haka namana amin’ny filana ara-nofo, fa ilay havany avy hatrany dia nody. Noheverina ary, hoy ity fianakaviany ity fa izy avy nanao io filana ara-nofony io, hamonjy fodiana amin’izay no tratr’izao vonoan’olona tamin’ny alalan’ny fanendahana izao. Efa mandeha ny fanadihadiana rehetra moa amin’izao fotoana izao. Ny mpamonjy voina teo anivon’ny Kaominina no nikarakara ilay rangahy nisy namono, ka nanatitra azy teny amin’ny fianakaviany monina ao Tanamakoa Parcelle 12/11. Ireto farany izay taitra ihany satria efa nikaroka azy ihany koa noho ny tsy fodiany an-trano taorian’ny nivoahany niaraka tamin’ny fianakaviany.
 
 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT