Garazy manatona fiara simba

Nitsangana ofisialy ny « Méca mobile »


  • Zoma 21 Martsa 2025

Nampahafantarina omaly tetsy amin’ny Pho Resto Ampasamadinika ny

fisian’ny antsoina hoe «Méca mobile». Izy io, raha ny fanazavàna, dia garazy mandehandeha, izany hoe raha misy fiara manana olana manomboka eto dia tsy mila manatona ity garazy ity akory ny tompon’ny fiara fa tonga manatona azy eny amin’ny toerana misy azy ny garazy, izany hoe ireo tekinisianina momba ny tontolon’ny mekanikan’ny fiara hanamboatra ilay fiara misy fahasimbana. Na any amin’ny birao no misy olana ny fiara na any an-trano na any am-piasana ka tsy afa-mihetsika ilay fiara dia tonga any ireo tekinisianina ireo. Mangarahara tanteraka ny fomba fiasa rehetra. Tafiditra anaty faktiora avokoa izay atao fa tsy sanatria tonga amin’ilay fiteny hoe «mamely tampoka». Alohan’ny ankanesan’ny ekipan’ny «Méca mobile» any amin’ilay toerana dia efa fantany daholo ny saran’ny fanamboarana rehetra. Hanatombo ara-potoana ny mpanjifa. Ny karazana tolotra na «service» dia eo ny mahazatra na «service standard» toy ny fanaovana «vidange d’huile moteur» na fanesorana ireo menaka efa niasa, fanoloana plaketin’isatra na «plaquette de frein», fanoloana «filtre», fanoloana «courroie» sy ny maro samihafa. Eo koa ny fijerena ny antsipirian’ny fiara na «diagnostique» sy ny «expertise» na fanoroana ny mombamomba ny fiara. Alohan’ny hividianana fiara koa dia manao izany fanoroana izany izahay. Mijery hoe tsara ve io fiara io? Inona no tokony amboarina aminy? Mitady ny piesy ilaina amin’ny fiara ary manafatra mihitsy raha ilaina izany. Tsy maintsy misy hatrany ny fanaraha-maso ny fiaranao, hoy hatrany ny Méca mobile.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT