Actualités

Gaëlle Borgia Mpanao gazety malagasy nahazo ny Pulitzer 2020


  • Alarobia 06 Mey 2020

Ny mpanao gazety malagasy, Gaëlle Borgia, no nahazo ny loka Pulitzer 2020, ho an’ny sokajy International Reporting.

 

 

 

 

 Izy ity moa dia fankasitrahana iraisam-pirenena atolotra ho an’ireo fanadihadiana mendrika indrindra mahakasika raharaha mahaliana eo amin’ny tontolon’ny fampahalalam-baovao maneran-tany. Ny fanadihadiana nataon’ity mpanao gazety ity momba ny fitsabahan’ny Rosianina tao anatin’ny fifidianana filoham-pirenena teto Madagasikara ny taona 2018 izay nivoaka tao amin’ny gazety vahiny, New York Times, ny novambra 2019 teo no nampitodika ny safidin’ireo mpitsara ho any aminy. Izy moa dia mpanao gazety mpanadihady iraisam-pirenena manao ny asany eto Madagasikara. Maromaro ireo haino aman-jery iraisam-pirenena hampitany vaovao. Isan’ireny, ohatra, ny France 24 sy TV5 Monde.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT