Gaby Vakiniadiana

«Tsy omenay vazaha ity firenena ity!»


  • Alakamisy 25 Jolay 2024

Ela fikenona ny fitondram-panjakana amin’ny fananganana governemanta vaovao,

hoy ny antoko politika Vahoaka miray na VAMI. Ny zava-misy dia iaraha-mahalala, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko, Gaby Vakiniadiana, fa praiminisitra tsy mahita izay azony atao intsony no mbola voatendry. Ny praogramany aza ohatran’ny tsy misy akory fa toa ny teo aloha ihany no ho tohizany? Ny minisitra teo aloha izany no mety ho averiny. Mbola mitady izay fomba handaminana ny saim-bahoaka na handrebirebena vahoaka izy. Matahotra ny mpanohitra koa izy raha ny tena marina satria na resy tamin’ny fifidianana aza ny mpanohitra dia nandresy teto Antananarivo renivohitra. Ny renivohi-paritany, indrindra, fa Antananarivo no taratr’i Madagasikara. Mety marefo araka ny fijery azy ny mpanohitra saingy manan-kevitra hanoherana ilay mpanohitra. Tsy ny hery no entin’ny mpanohitra mankeny amin’ny arabe hatreto fa ny saina amin’ilay antsoina hoe fanoherana maoderina na «opposition intelligent». Nisy fifidianana filohan’ny antenimieram-pirenena na PAN tao Tsimbazaza dia hoe nifidy daholo ny mpanohitra. Izay no hitan’ny vahoaka aty ivelany izao dia ohatran’ny hoe ratsy ny sarin’ny mpanohitra fa aoka hazava fa tsy ny ao anaty antenimieram-pirenena ihany no atao hoe mpanohitra! Ny ivelan’ny antenimiera na «extra-parlementaires» koa dia mpanohitra. Mandra-pahatanteraky ny hoe tena mipaka any amin’ny vahoaka ny ataon’ny fitondrana, raha toa ka mbola eo ihany izy fa tafala, dia mbola hanohitra izahay ary tsy maintsy hanohitra ary hiteny ny zava-misy eto Madagasikara. Tsy sasatry ny hiteny izahay satria zon’ny antoko politika ny manabe ny olompirenena sy milaza ny marina eto Madagasikara. Tsy natao hanangonan-karena ny fanaovana politika fa natao hanasoavam-bahoaka. Tsy omenay ny hafa ary tsy omenay vazaha ity firenena ity! Mbola vonon-kanohy ny ezaka ataonay izahay na lazain’ny olona fa marefo aza. Tadidio fa 99 andro an’ny mpangalatra fa ny 1 andro an’Andriamanitra, hoy hatrany ny VAMI.
J. Mirija
Légende: Ny sekretera jeneralin’ny VAMI

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT