Nantenaina hamoaka ny firenena amin’ny krizy lavareny ny fitondrana ankehitriny kinanjo vao mainka nampidi-kizo ny fiainam-bahoaka, hoy i Gaby Vakiniadiana. Tsy gaga amin’ny zava-misy izy satria lalŕmpanorenana tefy manta sy fanjakana tandrametaka no hita eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao
Tsy mahavaha olana ary tsy mijery sy tsy mahajery ny sosialim-bahoaka izay mampikaikaika azy ny fitondram-panjakana mijoro. Tsy mihinam-bary ara-dalàna intsony ary miaina ao anatin’ny tsy fandriampahalemana ny Malagasy maro an’isa nefa toa tsy rototra ireo manampahefana, hoy ity sekretera jeneralin’ny Vami ity. Mpanohitra ny fitondrana ary mijanona amin’izany toerana izany ny Vami. Soso-kevitra avy aminy ny fametrahana ny mangarahara miainga eny ifotony sy ny fijerena ny tombontsoan’ny vahoaka 22 tapitrisa. Tsara ihany koa raha manana lalàna fototra iray vaovao isika eto Madagasikara, hoy i Gaby Vakiniadiana. Tsy hoe fanaovana tsinontsinona ireo vahiny mpiara-miombon’antoka fa andrianina eto amin’ny taniny ny Malagasy. Tsy rariny raha mbola misy teratany Malagasy tsy avela mody eto amin’ny taniny. Fotoana tokony hahatonga saina ny mpiray tanindrazana izao manoloana ny zarazarao anjakana sy ny fitadiavan-toerana politika mibaribary ankehitriny, hoy ny fanampim-panazavany. tyle type="text/css">
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.