Fotoana fialan-tsasatra tokoa ny andro ka maro ireo haka rivotra any amin’ny faritra. Anisan’ny toerana iray fangalana fiara ny eny amin’ny Fasan’ny Karana Ankadimbahoaka.
Raha ny zava-misy anefa dia tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy ny zava-mitranga eny satria dia tsy mijanona ao anaty fiantsonana intsony izy ireo no mitady mpandeha fa mivoaka ety ivelany. Misy mihitsy aza dia ety amin’ny manodidina an’Anosy, Mahamasina iny izy ireo no miantsoantso. Ny mpanera no misintona ny mpandeha amin’izany fa ireo fiara kosa miafina. Etsy an-kilany ireo tompon’andraikitra toa mitazam-potsiny. Misy amin’ireo mpandeha no mitaraina ihany koa fa very entana izy ireo satria tsy fantatra intsony ny tena mpanera sy ny mpisandoka. Nijoro vavolombelona Raharijaona Felana nihazo an’Antsirabe omaly fa nifandroritan’ireo mpanera ny entany kinanjo tonga tany Antsirabe tsy hita intsony ny fananany, izany hoe nisy nanodina am-pandehanana. Ilaina ny fahamailona amin’ny toerana tahaka itony satria betsaka ireo mpanararaotra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.