Actualités

Gaboraraka amin’ny fanamboarana saribao Tandindomin-doza ny ala ao Toliara


  • Talata 04 Aogositra 2015

Araka ny nambaran’ny fiarahamonim-pirenena miaro ny tontolo iainana, FAMARI (Fatidrŕn’ny Ala Maiky sy ny Riake), dia mitombo saika isan-taona ny filana saribao ao Toliara.

 

 24 000 t ny taona 2014, raha 18 000 izany ny taona 2007. Manoloana ny gaboraraka amin’ny fanondranana harina fandrehitra any ivelany, tahaka ny nitranga tamin’ny herinandro lasa iny dia manaitra ny olom-pirenena sy ny mpitondra fanjakana ny FAMARI, satria tandimon-doza ny ala. 108 000 m3 ny ala tahiry any amin’ny faritra Atsimo Andrefana no azo avadika ho saribao, nefa ny filana harina fandrehitra dia 408 000 m3. « Hampiharo ny fitondrana tsara tantana hanjakan’ny mangarahara mba hiteraka fampandrosoana », hoy ny filoha lefitry ny FAMARI, Rakotomanantsoa Vernet. Hentitra ity tompon’andraikitra ity nilaza, fa « mila fanatsarana ny fitantanana ny sehatra fihariana saribao eto Toliara, satria ny filan’ny mponina tsy ampy, ary tsy araky ny ala, kanefa mbola aondrana indray », Raha ny lalàna misy dia tsy azo ahondrana any ivelany ny saribao.


 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT