Front de libération nationale

«Minisitera faran’ny tsy mandeha indrindra ny minisiteran’ny angovo»


  • Alakamisy 08 Aogositra 2024

Manana ny minisiteran’ny angovo isika, hoy ny antoko politika FLN na Front de libération nationale.

Tsy JIRAMA irery ihany no atao hoe angovo, hoy ny filohan’izy ireo, Iada Jean Pierre. Lafiny maro io. Isany ny solika. Raha hiresaka herinaratra sy solika isika dia minisitera faran’ny tsy mandeha indrindra ny minisiteran’ny angovo. Vahaolana nentin’ny filoham-pirenena mihitsy ialantsika amin’ny delestazy io fampitondrana azy ny vazaha io nefa dia miverina amin’ilay toetrany taloha ihany isika. Ny mahagaga fotsiny dia hoe raha ohatra ianao efa tsy mahaloa vola, tsy manam-bola andoavana, dia mbola ianao ihany indray koa no handoa amboniny avy eo nefa tsara ho fantatry ny JIRAMA fa sady asam-bahoaka na «service publique» ny JIRAMA no misy fifanarahana mazava 24 amin’ny 24 ora tokony hanomezany herinaratra ny olona mampiasa azy. Izy ankehitriny no tsy mahafeno ny fepetra rehetra eo amin’ny fifanarahan’ny JIRAMA sy ny mpampiasa azy ary ny mpanjifa azy. Tsy anjarany no mametra avy hatrany hoe tokony hisy izany 5% izany satria raha misy ny tsy fanajàna ny vahoaka izay mpampiasa izany JIRAMA izany na tsy fifanajàna eo amin’izay fifanarahana izay dia ny fitsaràna ihany no afaka mametra ny onitra na sazy, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT