FREROT RALAIVAHINY-BANDEAU

ROUGE Miantso ireo olona


  • Alatsinainy 22 Desambra 2025

akaiky ny filoha mitady hivadika mba hiverin-dalana

Miantso ireo olona akaiky ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël mba hamerina ny fahatokisany ny Filoha sy mitady hivadika Ralaivahiny Frérot dit l'homme noir. Nohamafisiny mantsy fa tsy olona hanao bizinesina volamena....io Filoha io fa olona nalefan'Andriamanitra hanavotra an'i Madagasikara ka tokony hahasaro-piaro ny rehetra. Fantatra hoy izy fa efa misy olona manao serasera mikasika ny fanomanana ny filatsahany hofidiana sahady manodidina ny Filoha. Tsy te-hifanasa vangy aminareo izahay hoy Ralaivahiny Frérot fa raha mety sy azo hatao dia aleo miverin-dalana. Notsiahiviny moa fa olona tsara fo ny Filohan'ny fanavaozana. Tsy tia sehoseho ihany koa fa miasa mangina ho an'ny tombontsoam-bahoaka. Tafiditra ao anatin'izany ny fidinana ifotony tanterahiny any amin'ny Faritra mijery ireo tena maharary ny vahoaka. Tokony hotsapantsika vahoaka izany hoy izy. Nohantitranterin-dRalaivahiny Frérot fa na mpivavaka aza ny Filoha ( mpiandry) dia tsy tokony hohadinoana fa miaramila ihany koa izy ka tsy tokony hoararaotina sy hatao tsinontsinona.
Pati
Légende : Saro-piaro loatra amin'ny Filohan'ny fanavaozana Randrianirina Mickaël Ralaivahiny Frérot !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT