Frantsay sy ny Banky iraisam-pirenena

Nampanantena fanohanana sy


  • Alarobia 25 Febroary 2026

fiaraha-miasa mafonja arahina fepetra…

Omaly talata 24 febroary 2026 tamin’ny 4 ora tolakandro ora Madagasikara no nifampiarahaba tao amin’ny Lapam-panjakana Elysée any Paris ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny Filoham-panjakana Malagasy Kolonely Randrianirina Michaël, izay manao fitsidihana arak’asa any Lafrantsa. Nisy ny dinika manokana nifanaovan’ny roa tonta, narahina fanambarana iombonana. Nanamafy ny fanohanan’ny fireneny ny rafitra politika misy eto Madagasikara ny i Emmanuel Macron, saingy napetrany ho fepetra mazava ny fisian’ny daty voafaritra momba ny fifidianana. Namafisina fa mbola mijanona amin’ilay fe-potoana 24 volana napetraky ny manampahefana malagasy ny fanohanana frantsay, araka ny nambaran’ny manampahefana misahana ny fanavaozana. Hanamafisana izany fanohanana izany, ny fanamafisana ny fifandraisana ara-politika eo amin’i Frantsa sy Madagasikara dia isan’ny laharam-pahamehana telo ao anatin’ny rafitra fiaraha-miasa nohavaozina sy nampandrosoina tamin’ny fifanarahana iombonana. Ankoatra izany, navoitra ny fankasitrahana ny finiavan’ny manampahefana malagasy hanarenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny andrim-panjakana, hampiverina ny fanjakana ho mpanompo ny tombontsoa iombonana, ary hamaly ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra ny tanora. Nisy kosa ny fivoriana stratejika niaraka tamin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ny delegasiona Malagasy, izay nifantoka tamin’ny fanaraha-maso ny tetikasa efa tohanan’izy ireo sy ny fanamafisana ny fandaharan’asa lehibe hanana fiantraikany mivantana amin’ny toekarena sy ny fiarahamonina. Nampahatsiahivin’ny Filoham-panjakana fa ny tanjona dia ny hahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy hita maso, mifanaraka amin’ny filàn’ny vahoaka sy ny laharam-pahamehana nasionaly sy eo an-toerana. Ny dingana antsoina hoe “Refondation” dia mikendry ny hamerenana ny fitoniana, ny hanamafisana ny fahatokisana ary ny hananganana ny fahaleovantena ara-toekarena. Tao anatin’ity fihaonana sy fivoriana ara-toekarena niarahan’ny delegasiona Malagasy notarihin’ny Filoham-panjakana sy minisitra enina ary ny GEM (Groupement des Entreprises Malagasy), nihaona tamin’ny MEDEF (Mouvement des Entreprises de France) sy ireo mpitarika frantsay. Navoitra tamin’izany ny fiaraha-miasa sy ny fanarenana ara-toekarena mifandraika amin’ny drafitra 2026–2030, izay ahitana fampiasam-bola mitentina eo anelanelan’ny 1,21 miliara dolara sy 2,29 miliara dolara. Hisy tetikasa 29, ka 14 azo tanterahana avy hatrany ao anatin’ny 10 volana, hifantoka amin’ny sehatra lehibe toy ny angovo, ny fotodrafitrasa maharitra, ny nomerika ary ny fizahantany.

EFA NISY…
Naneho ny Filoham-panjakana amin’ny tokony hanafainganana ny fampiharana sy ny famoronana asa, ary napetraka ny fepetra hahazoana vokatra mivantana amin’ny famoronana asa 7 000 hatramin’ny 14 500, hiorina amin’ny rafitra 3P na fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny tsy miankina mampifandray ny orinasa, ny mpamatsy vola ary ny fitondram-panjakana. Andrasana ny fahatanterahany satria ny desambra 2016 ihany koa dia efa nahazo fampanantenana mitovitovy amin’izao ny Fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ilay fanohanana ara-bola 6,4 miliara dolara sy fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha Frantsay 4 miliara dolara. Nohazavain’i Kolonely Randrianirina fa tsy ny fitomboan’ny fampiasam-bola fotsiny no tanjona ho an’i Madagasikara fa ny fananganana fototra ara-materialy matanjaka. Anisan’ny laharam-pahamehana napetraka ny fanarenana ny asa iombonana, ny fiarovana ny rojom-pamatsiana, ny famelomana indray ny toekarena ary ny famoronana asa. Ara-politika, anambara ny Filoham-panjakana fa rehefa miverina any Madagasikara izy dia hanasonia ny “feuille de route” momba ny fanavaozana na « Refondation », izay hatolotra amin’ny SADC ny 28 febroary. Nampitodika ny sain’ny rehetra izy fa ny tanjona dia ny hanamafisana ny finiavana hiroso haingana mankany amin’ny fifidianana malalaka sy azo itokisana eto Madagasikara.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • Gérard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • Fiaraha-miasa
  • Zoma 17 Aprily 2026

MEDD-Durrell Madagascar Hampiasa “drones”

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT