Actualités

Frantsay nandao an’i Madagasikara Tsy mahatoky ny rafitra ara-pahasalamana eto…


  • Alatsinainy 06 Aprily 2020

Sidina manokana avy any Lafrantsa " Boeing 777" no tonga teny Ivato naka ireo teratany Frantsay sy ireo Malagasy sasany mizaka ny zom-pirenena Frantsay nody any Frantsa ny sabotsy 4 aprily teo .

 

 

 Miisa 457 moa ny mpandeha nandray ny sidina ka nialoha ny nidiran'izy ireo tao amin'ny seranam-piaramanidina Ivato dia nasaina nanasa tanana tamin'ny savony avokoa izy ireo ary nomena “cache-bouche” tsirairay avy izay vao afaka niditra. Rehefa tafiditra tao amin'ny seranam-piaramanidina indray dia teo ambany fanaraha-mason' ny Polisin’ny sisin-tany Ivato ny fijerena ireo antontan-taratasy mikasika azy ireo ary rehefa voamarina izany dia nalefa any amin'ny efitra fiondranana avokoa ny mpandeha rehetra. Niainga ny 04 Aprily tamin'ny 7ora sy 50 minitra hariva moa ny fiaramanidina nitondra azy ireo hitodi-doha ho any Frantsa . Tsahivina fa efa nisy ny sidina manokana nitondra ireo teratany Frantsay hiverina any an-tanindrazany ny 21 sy 23 martsa lasa teo. Mbola nisy tsy lasa ihany anefa ireto teratany vahiny ireto satria tsy ampy intsony ny toerana. Ny tsy fahatokisana ny rafitra ara-pahasalamana sy ny fitsaboana misy eto, ankoatry ny ahiahy ny amin'ny mety hisian'ny savorovoro, amin'ny ankapobeny no antony nandaozan'ireo teratany Frantsay an'i Madagasikara.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT