Actualités

Frantsa Manangoly amin’ny alalan’ny fanampiana


  • Zoma 26 Febroary 2010

Mihazakazaka mafy amin’ny fanampiana mody sarontsaronana hetsika sosialy i Frantsa ka nanome toky fa hanampy ara-bola an’i Madagasikara hatrany amin’ny telo miliara ariary, ary hotsinjaraina amin’ny sehatra maro izy io.

 

Ny masoivoho frantsay monina sy miasa eto amintsika Jean Marc Châtaigner mihitsy moa no nanambara izany tamin’ny fomba ofisialy ny alarobia lasa teo. Raha ny tokony ho izy anefa dia tsy misy ny firenena manampy ara-bola an’i Madagasikara noho ny fitondrana mijoro eto izay tsy mbola eken’izao tontolo izao, saingy eo amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena kosa, dia tokony hitohy foana ny fanampiana ny maha olona tahaka ny fanampiana ara-tsakafo sy ny fanafody ary ny tetikasa tahaka ny fampidirana rano fisotro madio sy ny resaka fahasalamana. Tsy mahagaga, araka izany, raha naompan’ny Fanjakana frantsay tamin’ireo sehatra ireo ny fanampiana nomeny an’i Madagasikara. Tsikaritra ihany anefa fa misy ambadika politika daholo izany fihetsiketsehana rehetra izany, tsy noho ny fitiavany ny vahoaka Malagasy loatra no nanomezan’ny Frantsay ireny zavatra mitentina amina miliara ireny fa efa fikajiany sahady ny hifehezany ireo seha-pihariana maro samihafa eto amintsika. Anisan’ireo firenena mahay ny resaka diplaomasia i Frantsa ary manana manampahaizana maro eo amin’ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena, indrindra fa ny fifandraisana amin’ny tany mahantra. Amin’ny maha sahirana sy mahantra azy dia ory sakafo sy fanafody ary ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ny vahoaka Malagasy, ka mety ho izay no hararaotin’ny sasany. Efa hafa be mihitsy anefa ny kajy any ambadimbadika any, ka ireny fanampiana ireny no hanapenana ny mason’ny olona tsy hahita izay tena mitranga marina. Efa nanao izao fihetsika izao tamin’ny 2002 ny Frantsay, ary i Dominique de Villepin, minisitry ny raharaham-bahiny tamin’izany fotoana no nampanaovina iraka manokana nandritra ny ora telo teto Antananarivo, ary nampanantena fa hanohana ara-bola hatrany amin’ny 800 tapitrisa euro an’i Madagasikara i Frantsa, na dia efa niarahan’ny rehetra nahalala aza fa tsy nankasitraka ny nahalany an’i Marc Ravalomanana ho filoham-pirenena ny frantsay. Noho ny fitandroany ireo tombontsoany ara-toekarena marobe eto Madagasikara anefa dia tsy misalasala ny mampanantena volabe ho fanampiana ny fanjakana frantsay. Raha ny tena marina dia dominy tapany isika handoa erany !
 
RTT
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • FAMPANDROSOANA
  • Zoma 17 Aprily 2026

Mila tetibola ampy iainany sy iasany ny faritra

  • Mitaraina amin’ny
  • Zoma 17 Aprily 2026

mpitondra ireo mponina ao Androy

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy vahaolana mihitsy ny

  • Zaza Ramandimbiarison
  • Zoma 17 Aprily 2026

«Tsy krizy tsotra ity fa dona

  • ASA MIFANDRAIKA
  • Zoma 17 Aprily 2026

AMIN’NY NOMERIKA Tanora miisa 1000 no

Hijery ny tohiny
FTT