Nomarihana omaly teny amin’ny Résidence de France Ivandry ny faha-225 taona niorenan’ny revolisiona
Frantsay na ny fetim-pirenena, fotoana namerenan’Atoa Goldblatt masoivoho Frantsay indray tamin’ireo vahiny nasainy notarihan’ny Praiminisitra Kolo Roger fa teo anilan’i Madagasikara ary mbola ho eo anilan’i Madagasikara foana i Frantsa amin’ny ezaka rehetra ataony. Efa tafaverina amin’ny ara-dalàna ianareo izao, hoy ity masoivoho Frantsay ity ary manana filoham-pirenena voafidy ara-pomba demokratika. Miara-miasa hatrany isika, hoy izy ary azo hanaporofoana izany ny fahatongavan’ireo lehiben’orinasa Frantsay efa ho 250 nihaona sy niresaka tamin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina raha nandalo tany Paris izy. Tsy mbola fahita hatramin’izay izany, hoy i François Goldblatt ary maneho ny fahavononan’i Frantsa hifandray bebe kokoa hatrany amin’i Madagasikara. Nampatsiahiviny indray fa teratany Frantsay 25 000 no monina eto Madagasikara ary an’arivony ny orinasa Frantsay eto. Notsindriany manokana koa anefa fa tsy vitan’ny fanamboaran-dalana sy ny fanorenana hopitaly ny fampandrosoana an’i Madagasikara fa tsy maintsy miainga amin’ny fanovana ny toe-tsaina, satria hita, hoy Atoa Goldblatt fa io resaka toe-tsaina io no tena olana eto Madagasikara, efa an-dalana anefa izany fanovana izany raha ny filazany ary tokony hotohizana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.