Hifarana anio etsy Anosy rehefa naharitra roa andro ilay fiofanana sy fanomezana toromarika ireo mpiandraikitra ny tolobaro-panjakana eto amin’ny firenena mikasika ny fananganana na fanamboarana fotodrafitrasa
Ny PRMP na ny tompon’andraikitra misahana ny tolobaro-panjakana na « marché publics » no tompon’antoka amin’izany, hotronin’ny CPGU na ny vondrona amin’ny fiarovana sy ny fitantanana ny ankamehana ( CPGU). Zavatra telo loha no hanofanana azy ireo raha araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ireny ny NIHYCRI na ny fanarahana ny fenitra Malagasy amin’ny fanamboarana fotodrafitrasa mifandraika amin’ny fambolena hisorohana ny tondra-drano raha eo ihany koa ny GPRCIM na ny tari-dalana amin’ny fiarovana ny lalana manoloana ny tondra-drano misy eto amintsika, rehefa fotoanan’ny rivodoza. Tanjona ny hahatonga ireo mpanamboatra fotodrafitrasa ho tompon’andraikitra amin’ny asa hiantsorohany raha eo ihany koa ny fikatsahana ny tombontsoan’ny taranaka faramandimby. Aorian’izao fiofanana izao moa dia hiantefa any amin’ireo fiarahamonim-pirenena indray ny fanofanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.