Actualités

Forum de la Diaspora Malagasy Nahavory Malagasy monina any ivelany miisa 400


  • Zoma 27 Oktobra 2017

Tanterahina mandritra ny telo andro eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka ilay hetsika « Forum de la diaspora Malagasy » hamondronana ireo teratany Malagasy miparitaka manerana ny vazantany efatra hahafahana mampandroso ny firenena.

  Raha teratany Malagasy monina sy miasa any ivelany miisa 140 no nandrasana dia tafakatra 400 isa izy ireo. Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Filoham-pirenena Hery Rajoanarimampianina sy olo-manankaja maro. Nanao antso ho amin'ny fitiavan-tanindrazana mba ho iray ao anatin'ny fampandrosoana ny firenena ny tenany. Adidin'ny malagasy am-pielezana no mamoha ny fitiavan-tanindrazana, indrindra eo amin'ny lafiny toe-karena ary tsy tokony ho mena-mitaha amin'ny hafa isika, rah any fanehoan-keviny. "Ny olom-pirenena Malagasy rehetra dia tokony hitondra ny anjara birikiny, ary ito fihaonambe voalohany ito dia pejy iray amin'ny tantara amin'ny fisandratan'ny firenena, hanangana hoavy mamirapiratra, ho reharehan'ny taranaka rehetra manaraka ", hoy ny filohan'ny Repoblika. Nivoitra ny fanentanana manokana mikasika ny tokony handraisan’ny tsirairay avy andraikitra amin’ny fampandrosoana ny firenena. Isika Malagasy aloha vao ny hafa, hoy izy. Notsiahivin’ny Filoham-pirenena ny fahombiazan’ny fihaomben’ny COMESA, ny Frankofonia, … izay nahafahana naneho ny maha izy azy an’I Madagasikara sy manamarika ny fahatokisan’ny sehatra iraisam-pirenena antsika, araka ny fahitany azy. Misy moa ny varotra fampirantiana tanterahin’ireo fikambanam-behivavy maro manerana ny faritra izay samy mitady mpiara-miombon’antoka ihany koa  hahafahan’izy ireo mamoaka ny vokany any ivelany. Izay mantsy no mbola tena olana sedrain’izy ireo ankehitriny. Anisan’ireny ny Groupement des femmes entrepreneurs de Madagascar. Rahampitso sabotsy no hifarana amim-pomba ofisialy ny hetsika, azon’ny rehetra tsidihana.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT