Forum Chine-Océan Indien

Miezaka manamafy ny toerany ny sinoa…


  • Alarobia 27 Desambra 2023

Nandray anjara tamin’ny « Forum Chine-Océan Indien » andiany faharoa

izay nokarakarain’ny Goverenamantan’ny Province du Yunnan sy ny Sampan-draharaha sinoa misahana ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana na CIDCA i Madagasikara tamin’ity volana desambra iy. Nitarika ny delegasionina Malagasy tao anatin’izany ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Atoa Ratsimandao Tahirimiakadaza. Tafiditra amin’ny IDM (Initiative pour le Développement Mondial) an’ny Filoha sinoa Xi Jinping io, ary mikendry ny fanafainganana ny fanatanterahana ny fanambin’ny fampandrosoana lovain-jafy na ODD, indrindra fa ny ODD 1 sy 14. Ho an’i Madagasikara, nitodika kokoa tamin’ny lafiny toekarena manga ny paikady naroso, notsipihina ny herijika ara-piaraha-miasa sy fampiasam-bola momba ny fotodratritrasa fototra, ny varotra, ny fampandrosoana amin’ny ankampobeny. Nanipika ny maha zava-dehibe ny fifandanjana eo amin’ny fivoaran’ny toekarena sy fiarovana ireo harena fototra ara-boajanahary eo amin’ny fampiroboroboana ny toekarena manga ny Lehiben’ny delegasionina Malagasy. Nandresy lahatra ny tontolon’ny fikarohana, ny fampandrosoana, ny fampitana teknolojia, ary ny famatsiam-bola izay notsipihina fa tena zava-dehibe mila jerena. Notsiahivina ihany koa ny adidin’ny firenena tena mpandoto tontolo iainana amin’ireo tena iantraikan’ny fiovaovana ara-toetr’andro.


Tsara ny manamarika fa tena manamafy ny toerany eo amin’ny sehatra maro : teknolojia, varotra, jono, harena an-kibon’ny tany,… ny sinoa, ka isan’ny tena trandrahany sy hidirany lalina ny fiaraha-miasa aty Afrika. Isan’ny tena hanjakany ny tsena sy fifakalozana ara-barotra maneran-tany amin’izao fotoana izao. Isan’ny nanamarika an’ity taona ity, ohatra ny nanapahan’ny Fanjakana sinoa vao herinandro vitsy fa foanany ny haban-tseranana amin’ny fanondranana ny 98% eo amin’ny entana avy amin’ny firenena Afrikanina miisa 6 izay voasokajy ho mbola marefo ara-toakerana dia Angola, Gambie, RD Congo, Madagasika, ary Mauritanie.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT