Actualités

Fort Duchesne Antsahameva Mety hifanandrina ny samy Emmoreg


  • Zoma 08 Aogositra 2014

Araka ny fitarainana azon-dry zareo eo anivon’ny vovonana Hafari Malagasy dia hipetrahana olana goavana ankehitriny ny fahazoan’ny mpandovana ministra teo aloha (efa nodimandry) tamin’ny andron’ny filoha Zafy Albert titre ny tany mirefy 2ha 55a 60 ca antsoina hoe « Ambohinierenana XIV » eny Fort Duchesne Antsahameva

Fa raha folo taona nialohan’ny nahafatesan’i o ministra io (2003) no efa nangataka ny hanoratana amin’izy ireo ity tanim-panjakana ity ireo fokonolona marobe efa nanajary ny tany teo hatry ny ela ary efa nanangana trano marobe ihany koa, dia aty amin’ny volana martsa taona 2014 ny mpandova an’io ministra io no nahasoratra amin’izy ireo ny tany ary dia mangataka ankehitriny ny handrodanan’ireo vahoaka an-jatony ny tranon’izy ireo fa ilain’ny tompony ny taniny. Marihina fa saika miaramila sy zandary miampy olon-tsotra ihany koa ny tompon’ireo trano ho kasaina harodana ireo (ary misy maro amin’izy ireo araka ny fantatra no ao anatin’ireny rafitra Emmoreg ireny). Izany hoe rehefa hampihatra ny lalàna izany ny mpahay lalàna ka hanome baiko ny fandravana ireo trano misy Emmoreg ireo dia tsy maintsy hiantso Emmoreg ihany koa, toy ny mahazatra,  hanatanteraka ny baiko azo. Dia inona moa izany fa tsy mety hisy ny fifanandrinan’ny Emmoreg samy Emmoreg raha ho tanterahina ity fandravana kasaina hatao ity ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT