Actualités

Fonjan’i Vatomandry Isan’n manampy amin’ny fanarenana ireo relijiozy


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Fonja isany manana ny maha izy azy ao anatin'ny faritra Atsinanana ny fonja ao amin'ny distrikan'ny vatomandry, hoy ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ny mponina ao an-toerana omaly.

Toy ireo fonja rehetra manerana ny nosy dia manan-jo ny hovangiana ny voafonja saingy tsy maintsy manaraka ny rafitry ny fonja izany, hoy hatrany ny voalaza. Tombony goavana ho an'ity fonja ity, hoy kosa ny mpitantana azy ankehitriny, ny fiaraha-miasan'izy ireo amin'ireo relijiozy ao an-toerana. Izy mitarika ny fotoam-pivavahana hamolavolana ny fanahy sy mankahery ireo voafonja, ankoatra ireo tsara sitrapo manao ny asa soa amin'ny fanampiana azy ireo. Izy ireo, hoy hatrany ny tomponandraikitra, izay efa miezaka manatratra ny tanjona amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafo hialana amin'ny fahasahiranan'ireo fianakaviana avy lavitra. Tsy mora, hoy ny mpitantana, ny mampiray ireo voafonja noho izy ireo samy manana ny tany nihaviany sy ny maha izy azy saingy mora foana ny fanatanterahana ny fampiraisana azy ireo noho ny traikefa izay ananan'ireo mpandraharahan'ny fonja mifandraika amin'ny torimariky ny minisitera miahy azy ireo. Io fampiraisana tsara rindra io no mampiakatra ny moralin’ireo voafonja ka mampivoaka ny talentany toy ny fanaovana asa tanana sy ny maro samihafa. Isan'ireo fonja miady mafy amin'ny kolikoly ny ao an-toerana. Ny tomponandraikitra rahateo isan’ireo niatrika sy nanaraka ny fiofanana momba ny kolikoly sy ny fanajana ny zon'olombelona. Misy amin'ireo voafonja no afaka manao ny asa ivelany toy ireo hita eny amin'ny biraom-panjakana saingy tsy maintsy araka ny lalàna mifehy avokoa no anatanterahana izany, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT