FONJABEN’ANTANIMORA

Tsy mandray voafonja intsony aloha ny ao Maputo


  • Zoma 21 Febroary 2025

Tsy mandray voafonja intsony aloha ny ao amin’ny Maputo, efitrano iray lehibe malalaka

natokana ho an’ireo voafonja manan-katao matahotra aretina sy ireo tera-tany vahiny efa manefa ny saziny na mbola miandry fitsarana. Ny efitrano natokana ho an’ny lehilahy no tena voakasik’izany izay marihina fa hofaina, misy vata fahitalavitra sy fandriana raha mbola miasa kosa hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay ny efitrano natokana ho an’ny vehivavy. Noho ny fahatsapan’ny Minisitry ny fitsarana ny resaka kolikoly ao ambadik’izany no antony izay tonga nandalo teny an-toerana tampoka. Raha tsiahivina dia teo amin’ny 10 taona mahery teo no niasan’ity efitrano iray lehibe Maputo eny Antanimora ity, niorina tamin’ny andron’ny fitondrana Tetezamita natokana ho an’ireo gadra politika. Taty aoriana anefa dia lasa ho an’ny voafonja rehetra manam-bola izany. Efa nafindra any amin’ny fonja natokana ho an’ny daholobe avokoa moa ireo tavela tao Maputo ahitana Ministra teo aloha iray, depiote iray, mpiaro ny zon’ny mpanjifa iray…
Pati
Legende : Tsy mandray voafonja intsony aloha ny ao Maputo amin’izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT