FONJA MAPUTO ANTANIMORA

Nosokafana handraisana ireo mpanao politika nanao ny tsy mety


  • Talata 14 Oktobra 2025

Miara-dia sy manamafy ny

tolom-bahoaka sy ny tolona sendikaly miaraka amin'ny SSM (Solidarité Syndicale de Madagascar) ny Mpandraharahan'ny fonja nanomboka, izay raha nanomboka ny 25 septambra ny tolona, dia ny ampitson’iny no nanakatona ny fonja manerana ny Nosy izahay ho fanomezan-tanana ny tolona, hoy ny SPAPM (Syndicat du Personnel de l'Administration Pénitentiaire Malagas). Namafisina omaly maraina fa voatazona ny fepetra hatramin’izay. « Mikatona ny fonja fa namafisina ny fampikatsoana ny fitantanan-draharaha eny anivon’ny fitsarana sy ny fitaleavam-paritra manerana ny Nosy. Nosokafana hitsenana ireo tompon'andraikitra ara-panjakana nanao ny tsy nety teto amin'ny Firenena ny fonja Maputo ao Antanimora », hoy ny Sekretera Jeneralin'ny SPAPM Myridin Razafiberison. Aminay, hoy izy, dia fotoana izao hampidirana am-ponja an’ireo olona tompon’antoka tamin’ny fanaovana tsy mety teto amin’ny Firenena, ireo olon-dRajoelina. Notononiny manokana ny Prefen’Antananarivo izay nambarany fa tena nanakorontana ny zavatra rehetra nisy teto Antananarivo. Niarahantsika nahita ny mizana tsindrian’ila nataony taminay sendika, nisy nomeny fahazoan-dalana, nisy tsy nomeny, niteraka fifandonana, miafara amin’izao korontana izany, ka tompon’andraikitra feno Atoa Prefe ka izy no tokony hiditra am-ponja voalohany, ka efa miandry azy ireo ny Maputo, vonona Antanimora, ary vonona ny mpandraharahan’ny fonja hitsena azy ireo. Tsara moa ny mampahatsiahy, fa tamin’ireo fanambarana sy fitakiana maro nataon’ny SPAPM dia isan’ny noresahan’izy ireo matetika ny fitakiana Sekreteram-panjakana hisahana sy hiantsoroka azy ireo ka mba tena ho izy ireo no tompon’andraikitra feno amin’ny asany izay saropady sy stratejika fa tsy olona ivelany. Nampiaka-peo tamin’ny heverin’izy ireo fa ankilabao manoloana ny fiantohana ny fiandrianan’ny Firenena amin’ny maha antoka lehibe ny fonja, kanefa hamaivanina amin’ny lafiny rehetra mitaha amin’ireo sokajiana ho « frère d’arme » aminy dia ny mpitandro ny filaminana, na eo amin’ny tombotsoa sitrahana io, na eo marikarama,… Notsiahivin’izy ireo omaly ihany koa ny tsindry sy tsy fanarahan-dalàna samihafa toy ny fanakatonana sy fanokafana fonja tsy misy didim-panjakana, ny fanenjehana tsy ara-drariny ny mpandraharahan’ny fonja kanefa ireo hafa iray minisitera vitavita ho azy raha misy heloka na hadisoana,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT