Tetikasa mifototra amin’ny fanentanana ara-pahasalamana tohanan’ny vahoaka amerikanina amin’ny alalan’ny masoivohony misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena ny JSI/ Mahefa.
Manome tombony manokana ireo sokajin’olona miaina amin’ny ireo faritra lavitr’andriana toy ny any SAVA, DIANA, Boeny Melaky, Sofia ary Menabe ny tetikasa. Nitondra ny anjara birikiny ho fanohanana ity fandaharanasa ity ny Fondation Telma izay misahana ny sehatra maha olona amin’ny ankapobeny ahatongavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy maharitra eto Madagasikara tarigetrany. Ny famatsiana ara-tolotra soratra maro sosona na sms na hafatra amin’ny alalan’ny finday no fitaovana hoentin’ity orinasam-pifandraisan-davitra Malagasy ity hanampiana ny JSI/Mahefa. Ireo mpiantsehatra ifotony ho fampiroboroboana ny tetikasa ho an’ny tanora ao Antsiranana I no nisantatra ny fampiofanana dingana voalohany amin’ny fifehezana ny hafatra fohy amin’ny fampiasana finday ny faran’ny herinandro lasa teo. Votoatin’ny hafatra alefa ny fampahafantarana sy ny fampandraisana andraikitra mivantana ireo tanora manoloana ny fahasalamana ara-pananahana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.